“ ...Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ ny Tompontsika... ”
MPANDRESY NY TOMPO
LOHA-HEVITRA VOLANA APRILY
MPANDRESY NY TOMPO
LOHA-HEVITRA VOLANA APRILY
Previous
Next

LOHA-HEVITRA APRILY: MANDRESY NY TOMPO

VAOVAO ...

HERINANDRO MASINA 2026

Ireo lahatsoratra farany

Alahady 28 Febroary 2021

Alahady faharoa amin’ny Karemy Loha-hevitra« Mampiorina ny mino ny Tenin’Andriamanitra » Perikopa : 2Tan. 12/1-8 ; Jao 8/ 25-30 ; Heb.13/7- 11 Toriteny tamin’ny Fidirana

Tohiny... »

TORITENY ALAHADY 10 Mey 2020

Alahady IV manaraka ny Paska « Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina » Nalaina tao amin’ny Lioka 13: 8-12 Fampianarana nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny mpianatra Tiany hankato

Tohiny... »

Toriteny Alahady 26 Aprily 2020

Alahady II manaraka ny Paska Loha-hevitra: « Vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny mino » Vavolombelona manao ahoana no kendren’ny Tompo amin’ny mpino? araka ny 2Kor 4: 16- 18

Tohiny... »

TORITENY Alahady 19 Aprily 2020

TORITENY: Lioka. 24: 44- 49 NY FITSANGANAN’I JESOA KRISTY TAMIN’NY MATY dia: Fahatanterahan’ny faminaniana tany amin’ny Testamenta Taloha (Gen 3/20; Isa 50/6; Sal. 22) Efa

Tohiny... »

MOFONAINA

Alarobia 08 Aprily 2026 : Salamo 33, 18-22

Matahora an’Andriamanitra, manantenà ny famindrampony.

Tena fampianaran’ny baiboly ho an’ny olona mihitsy ny hananan’ny olona izany tahotra an’ Andriamanitra izany. Ny karazan-dahatsoratra rehetra ato amin’ny baiboly amin’ny ankapobeny dia mitarika ny olona hanana izany avokoa satria zava-dehibe izany eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Tena miverimberina im-betsaka koa izany fampianarana izany ato amin’ny lahatsoratra milaza fahendrena (ny Salamo sy ny ohabolana ohatra) satria amin’izy ireny, ny tena fahendrena dia ny fahatahorana an’Andriamanitra, ka izay te ho hendry dia tsy maintsy manan-tahotra an’Andriamanitra (cf Oha 1. 7, 2. 5, 8. 13, 9. 10, …). Ity Salamo ity izao dia mitarika ny olona hanana izany mihitsy, ary ambonin’izany koa dia lazainy fa hitan’Andriamanitra izay ataon’ny olona, na manan-tahotra Azy izy, na tsy miraharaha Azy akory.

Hanampy ireny olona ireny Izy

Ambaran’ny mpanao Salamo anefa fa tsy hiala maina akory izay manan-tahotra Azy, satria hitan’Andriamanitra izay manao izany ary arovany amin’ny asan’ny ratsy. Hotsinjoviny hatrany ny lalany manoloana izay mety ho fakam-panahy sy izay zava-doza mety manjo ety amin’ity tany feno faharatsiana ity. Ny teny ilazan’ny mpanao Salamo izany dia hoe: « famonjena sy ampingantsika Izy » izany hoe: aro sy toky manoloana ny zavatra mety hitranga rehetra.

hahomby ny asa ataonao.

Fanontaniana:

Manao ahoana izany hoe: olona tsy matahotra an Andriamanitra izany?

Foibe Sampana Sekoly Alahady