Matahora an’Andriamanitra, manantenà ny famindrampony.
Tena fampianaran’ny baiboly ho an’ny olona mihitsy ny hananan’ny olona izany tahotra an’ Andriamanitra izany. Ny karazan-dahatsoratra rehetra ato amin’ny baiboly amin’ny ankapobeny dia mitarika ny olona hanana izany avokoa satria zava-dehibe izany eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Tena miverimberina im-betsaka koa izany fampianarana izany ato amin’ny lahatsoratra milaza fahendrena (ny Salamo sy ny ohabolana ohatra) satria amin’izy ireny, ny tena fahendrena dia ny fahatahorana an’Andriamanitra, ka izay te ho hendry dia tsy maintsy manan-tahotra an’Andriamanitra (cf Oha 1. 7, 2. 5, 8. 13, 9. 10, …). Ity Salamo ity izao dia mitarika ny olona hanana izany mihitsy, ary ambonin’izany koa dia lazainy fa hitan’Andriamanitra izay ataon’ny olona, na manan-tahotra Azy izy, na tsy miraharaha Azy akory.
Hanampy ireny olona ireny Izy
Ambaran’ny mpanao Salamo anefa fa tsy hiala maina akory izay manan-tahotra Azy, satria hitan’Andriamanitra izay manao izany ary arovany amin’ny asan’ny ratsy. Hotsinjoviny hatrany ny lalany manoloana izay mety ho fakam-panahy sy izay zava-doza mety manjo ety amin’ity tany feno faharatsiana ity. Ny teny ilazan’ny mpanao Salamo izany dia hoe: « famonjena sy ampingantsika Izy » izany hoe: aro sy toky manoloana ny zavatra mety hitranga rehetra.
hahomby ny asa ataonao.
Fanontaniana:
Manao ahoana izany hoe: olona tsy matahotra an Andriamanitra izany?
Foibe Sampana Sekoly Alahady