Fandaharana Alahady 29 Martsa 2020
(hatao any amin’ny isan-tokantrano) Alahady faha 5 amin’ny karemy Loha-hevitra: “MIVERENA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO” Fiarahabana apostolika FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA : Sal. 27 1 – 4 Hira:
(hatao any amin’ny isan-tokantrano) Alahady faha 5 amin’ny karemy Loha-hevitra: “MIVERENA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO” Fiarahabana apostolika FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA : Sal. 27 1 – 4 Hira:
“MIVERENA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO JOELA 2:12-17 Hitantsika mihasinkasina ao anatin’ny bokin’i Joela ny fihavian’ny andron’i Jehovah, andro lehibe sy mahatahotra andro izay itsaran’Andriamanitra izao tontolo
Ivon’ny Jobily faha 50 taonan’ny Antoko mpihira JIZRAHIA Ny teny Faneva no notorin’ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIELY Hanitra tamin’izany, izay manao hoe: « Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy »
MARTSA : MIVERENA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO 01 Alahady fandraisana I Fanadinana fitsapana I SSA Fivoriana, fanombohana vokatra FVF / Antsam-piderana 50e AM Jizrahia 08 Anjara
Alatsinainy 02 Febroary 2026 : Kol. 2. 8- 15
Anankiray amin’ny antsoina hoe: Epistilin’ny fifatorana ity Kolosiana ity, satria tany am-ponja tany Roma i Paoly no nanoratra azy. 1 Epafra no nampita tamin’i Paoly fa manambana ny Fiangonana tany Kolosia ny fampianaran-diso te hampifandray ny filazantsara amin’ny Filozofia, amin’ny fivavahana amin’ny anjely, ny amin’ny fampahorian-tena. Ary izany no mahatonga an’i Paoly manoratra azy ireo mba hitandrina:
1. Tsy ho voafitaky ny fampianarana sadasada (and 8)
«Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana…fa tsy araka an’i Kristy». Taomina ny Kristiana hihazona ny fampianarana araka an’i Kristy izay efa notoriana sy nampianarina azy, tsy hiroaroa saina na hirona amin’ny fampianarana mamitaka! Tano mafy izay anananao hoy i Jesoa mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao (Apo3.11)
2. Hitoetra ao amin’i Kristy (and 11)
«Ary tao aminy koa no namorana anareo…». Miverimberina eto ny hoe «ao aminy»! Midika izany ao amin’i Kristy irery ihany no itoeran’ny mino, ary Kristy irery ihany koa no ivon’ny fiainany sy tompom-pahefana tokana eo amin’ny fiainany koa na iza na inona hisarika azy hanalavitra an’i Kristy dia laviny marin-drano!
Mandehana ianao dia manaova toy izany koa!
3. Tsy hanadino fa efa olom-baovao (and 12)
«…fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa». Misongadina eto fa rehefa natao batisa ny mino dia manana fiainana vaovao ao amin’i Kristy izy (2 Kor 5. 17), koa tsy handrarak’ilo mby an-doha ka hiverina amin’ny fiainana lasa indray fa hizotra tsara amin’ny lalam-pamonjena! Tandremo ny 2 Pet 2. 221
Fanontaniana:
Aiza ho aiza ny fifandraisanao amin’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
« MAMPAHAFANTATRA NY ASAN’NY TOMPO NY SORATRA MASINA »