Fandaharana Alahady 29 Martsa 2020
(hatao any amin’ny isan-tokantrano) Alahady faha 5 amin’ny karemy Loha-hevitra: “MIVERENA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO” Fiarahabana apostolika FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA : Sal. 27 1 – 4 Hira:
(hatao any amin’ny isan-tokantrano) Alahady faha 5 amin’ny karemy Loha-hevitra: “MIVERENA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO” Fiarahabana apostolika FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA : Sal. 27 1 – 4 Hira:
“MIVERENA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO JOELA 2:12-17 Hitantsika mihasinkasina ao anatin’ny bokin’i Joela ny fihavian’ny andron’i Jehovah, andro lehibe sy mahatahotra andro izay itsaran’Andriamanitra izao tontolo
Ivon’ny Jobily faha 50 taonan’ny Antoko mpihira JIZRAHIA Ny teny Faneva no notorin’ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIELY Hanitra tamin’izany, izay manao hoe: « Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy »
MARTSA : MIVERENA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO 01 Alahady fandraisana I Fanadinana fitsapana I SSA Fivoriana, fanombohana vokatra FVF / Antsam-piderana 50e AM Jizrahia 08 Anjara
Zoma 21 Novambra 2025 : Marka 13. 33-37
Miverina indroa eto ny teny hoe « Miambena ». Inona tokoa moa no tena hevitr’izany Tenin’i Jesoa izany (Mar 13. 33, 35)?
Ireto ary no azo ambara:
«Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana ». Raha ny heviny ara-bakiteny dia hoe: « tsy pizin-torimaso », tahaka ireny mpiambina manao fisafoana im-polo kely amin’ny alina ireny, ary tsy reraka mandra-maraina; ary dia tsy misy mihodivitra aminy ny zavatra mitranga rehetra na dia izay farany madinika sy amin’ny antsipiriany indrindra aza. Fanampin’izany, ny miambina ihany koa dia olona tsy manaiky ampatoriana na amin’ny fomba ahoana amin’ny fomba ahoana fa tonga saina tsara, ary mamantatra ireo fambara samihafa. Tahaka izany no andrasan’i Jesoa amintsika eo am-piandrasana ny fiverenany indray: feno vavaka, mahay manavaka ny vary sy tsimparifary, ka tsy voafitaky ny fampianarana sy ny mpaminany sandoka.
Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina ». Eto kosa ny hoe miambina dia manana heviny ara-panahy kokoa, ilazana olona sady vonona amin’ny fiverenan’i Jesoa, (fanoharana no ataon’i Jesoa eto) tsy mipetraka miandry fotsiny anefa fa manao ny asa fanompoana rehetra mifanandrify amin’ny maha mpanompo, mandra-piavin’ny Tompony. Taomina ary isika mba tsy ho varimbariana fotsiny eo am-piandrasana ny fiveranan’i Jesoa, fa hitory ny Filazantsara amin’ny fomba sy fotoana rehetra.
Fanontaniana
Manao ahoana ny fiambenanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
« MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO »