Toriteny Alahady 04 Jolay 2021 (Fidirana faharoa)

« Miorena amin’ny antson’ny Tompo »
Gen. 12: 1- 9
Ahitantsika ilay antso miezinezina dia ny niantsoan’Andriamanitra an’i Abrama
Rehefa miteny isika hoe « antso » dia misy karazana antso 2 lehibe:
-Antso izay iombonantsika rehetra: Antson’ny Tompo ho amin’ny famonjena
-Antso mitondra antsika amin’ny andraikitra samihafa,
Fa ny votoatin’izany dia ao amin’i Jesoa Kristy
Iza moa no niantso?
Raha araka ny Genesisy eto no jerentsika dia Jehovah Andriamanitra Tompo no miantso. Ary raha miantso Izy dia:
1-Antso hialan’ny olona amin’ny mahazatra. (And. 1) « Mialà amin’ny tranon’ny rainao… »
Maneho ny maha izy azy ny olona tsirairay, mifamatotra amin’ny tany ny olona, ny havana, ny tranon-dray ny olona, antom-pisiany (ao no anefena azy, ny kolo-tsainy, ny momba azy rehetra)
Fa maninona moa Abrama no nasaina miala ao? Satria ny tanin’ny Kaldeana, tany feno fanompoan-tsampy, feno ny ratsy rehetra izay manohitra an’Andriamanitra
Mampahatsiaro ny nahitan’i Jesoa an’i Levy. Levy nahafoy ny zavatra rehetra.
Antso ho amin’ny fibebahana= fialana amin’ilay toerana ratsy misy anao, ary manapa-kevitra ianao noho ny tenin’Andriamanitra.
Antson’Atra amintsika rehetra ny hialantsika amin’izay mahazatra izay mbola mamatotra antsika, manohitra an’Andriamanitra. Tsy mahasoa anao intsony izany ka manaova dingana, mandrosoa ianao, aza miandry ny ampitso.Mila mandinintena isika
2-Antso anoloran’Andriamanitra fiainam-baovao (and.2)
-Antso hahatonga anao ho firenena lehibe:
-ho fitahiana
Tany vaovao- fiainana vaovao, tsy nisy ady
Nanorina alitara tao Abrama, vokatry ny fankatoavany ny tenin’Andriamanitra
Taranak’i Abrahama amin’ny finoana isika.
Fianana vaovao, fiainam-pitahiana tsy ho azy ihany fa ho an’ny olona rehetra
Ry hava-malala ao amin’ny Tompo
fanapaha-kevitra hentitra no iantsoana anao.Efa nanolotena ho an’ny JK ianao.
Avotsory ny zavatra taloha dia hisokatra aminao ny lalam-pitahiana vaovao
Fiainam-pandresena no atolotr’Andriamanitra ho anao.