Toriteny tamin’ny Alahady 05 Oktobra 2025 (Fidirana faharoa)

« MAMORIA VOKATRA HO AN’NY TOMPO »

« Fa maro no antsoina nefa vitsy no fidina » (Mat. 22: 14)

Famaranana sy famintinana ny fanoharana nataon’i Jesoa Kristy ny amin’ny fanjakan’ny lanitra izay oharina amin’ny fampakaram-bady. Fotoana feno fifaliana. Misy hery sy fahefana ao ary Andriamanitra na i Jesoa Kristy no mpanjaka. Karazan’olona maro no antsoina:

  • Ireo nasaina manokana kanefa nandà (and. 4) dia ireo tsy mino an’i Jesoa Kristy
  • Ireo olona namaly ny antso (and. 8- 10)
  • Ireo olona izay tonga kanefa tsy nisolo akanjo (and.11)

Ny olona fidin’Andriamanitra dia izay manaiky handray ny fitafiana mendrika atolotr’ Andriamanitra azy, izay tsy hafa fa i Jesoa Kristy.

Tena efa tafiditra ao anatin’ny fanjakan’ny lanitra ve isika?