Toriteny Alahady 29 Martsa 2020

HAFATRA nalaina avy ao amin’ny 2Tantara 30: 6b- 9

« Ry zanak’ isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin’ izay sisa aminareo izay tsy azon’ ny tànan’ ireo mpanjakan’ i Asyria.7 Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy.8 Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ ny razanareo, fa atolory an’ i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin’ ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.9 Fa raha miverina amin’ i Jehovah hianareo, dia hahazo famindrampo eo anatrehan’ izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin’ ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy hianareo. »

Vanim-potoana nanjakan’i Hezekia no hitantsika eto, Hezekia izay mpanjaka miavaka tamin’ny fanitsiam-pivavahana sy fanadiovana ny tempoly.

Fiomanana amin’ny fankalazana ny Paska, mba tsy hankalaza foana dia nanao antso ny mpanjaka (and 6b)

Amin’iza no asaina miverina ny Zanak’Isiraely? (na isika)

Mazava loatra arak’izao antso izao fa amin’Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Isiraely

Andriamanitra manao fanekena ilay Andriamanitratra marina, azo antoka, azo ianteherana

Tsy tian’Andriamanitra hivezivezy isika fa hiverina tanteraka amin’Ilay Andriamanitry ny fanekena.

Te hifandray amintsika Izy. Antsoantson’Andriamanitra izany. Ny faneken’Andriamanitra dia notanterahiny tao amin’i Jesoa Kristy ilay fanekena vaovao dia ny ra latsaka.

Ahoana no endriky ny fiverenana amin’Andriamanitra?

And.8: aza manamafy ny hatokareo…, aza midehadehaka ka hiteny hoe ny anay ihany no marina, aza manaraka ny fomba tsy nety nataon’ireo taloha

Ialao ny fahazaran-dratsy izay mahatonga antsika tsy hanakaiky an’Andriamanitra

Atolory amin’i Jehovah ny tananareo= meteza hotantanan’Andriamanitra, meteza hiaraka amin’Andriamanitra, aza mandeha irery, araho ny toromarika. Amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra no hitantanany antsika, io no tondrozotra tsara indrindra. Aza manahy.

Midira eo amin’ny fitoerany masina:

Ara-bakiteny dia tao an-tempoly na ao am-piangonana fa raha te hiditra ao isika dia amin’ny alalan’ny vavaka no ahafahantsika mankao. Ianao manokana, ianao sy ny ankohonanao mivavaha!

Amafiso ny vavaka, aza manao vavaka an-tselika

Manompoa an’i Jehovah Andriamanitrareo:

Afaka atomboka amin’ny fiderana an’Andriamanitra ao an-tokantrano izany, amin’ny fiainana andavanandro.

Raha hiatrika ny andro Paska ianao dia hamasino ny tenanao, ialao ny ratsy; ny fahazaram-poana, miverena amin’ny Tenin’Andriamanitra marina, mivavaha ary asandrato amin’izay asa ataonareo rehetra ny Tompo.

Inona no vokatr’izany fiverenana amin’Andriamanitra izany?

and 8b: « mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra, and 9b: “miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo ary tsy hiamboho anareo Izy raha miverina Aminy ianareo »

Misy vokatra tsara: miala ny fahatezeran’Andriamanitra, Ao amin’i Jesoa Kristy no amindran’Andriamanitra fo sy iantrany antsika tsirairay avy. Ho afaka ny rahalahy, ny zanaka, ny havana, ny hafa amin’izay nambabo azy: Fanafahana amin’ny aretina, ny fahotana samihafa, ny fanangejana rehetra. Ny Tompo no miasa hahatanteraka izany ao amin’ny fiainantsika tsirairay avy.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, miverena amin’ny Tompo Andriamanitrao. Ny Tompo Andriamanitsika dia tia sy mamindra fo ary tsy mba manilikilika izay miverina Aminy

Mba hahatanteraka izany dia ialao ny ratsy, diniho ny tena, aza mihevitena ho zavatra fa miverena amin’ny Tenin’Andriamanitra marina ary mivavaha, miombòna fiainana amin’ny Tompontsika