Alahady faharoa amin’ny Karemy
Loha-hevitra« Mampiorina ny mino ny Tenin’Andriamanitra »
Perikopa : 2Tan. 12/1-8 ; Jao 8/ 25-30 ; Heb.13/7- 11
Toriteny tamin’ny Fidirana faharoa :
Nalaina tao amin’ny 2Tan. 12 : 1-8 (and5b- 6) « Izao no lazain’i Jehovah : Ianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho koa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tanan’i Sisaka. Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe : Marina Jehovah «
Andriamanitra marina dia marina amin’ny Teniny
MARINA JEHOVAH
1-Mahita ny toetran’ny vahoakany Izy
(Araka ny tantara dia ny fokon’i Joda tarihan’i Rehoboama mpanjaka, no resahina eto ; izay nahafoy an’i Jehovah) Hitan’Andriamanitra marina fa manana toetra hafa ireto vahoaka izay efa nanaovany fanekena ireto. Nieritreritra izy ireo fa mandry tsara ny tany ka nanjary nahafoy ny lalàn’i Jehovah. Niankina tamin’ny zavatra hafa fa hadino Andriamanitra. Nanalavitra an’Andriamanitra ilay tompon’ny fiadanana
Marina Andriamanitra, mahita ny toetratsika izy, Mijery sy manaramaso antsika tsirairay koa Izy
Aza mivadibadika
2- Mitaiza antsika koa Izy
Satria tiany isika, tezainy sy kolokoloiny isika. Manafay Izy : » hahafoy anareo Aho «
Tsy avelany handehandeha foana eny ny fiainantsika.
Rehefa nahare izany tenin’Andriamanitra izany ny mpanapaka dia niaiky ny vahoaka ka nanetry tena, nibebaka ary dia namindra fo Izy : niova hevitra indray Andriamanitra (and7b : Efa niaiky izy ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy, ary tsy haidiko amin’i Jerosalema avy amin’ny tanan’i Sisaka ny fahatezerako), Izany no fitaizan’Andriamanitra
Ny tanjona eo amin’ny fiainantsika dia ny mba hahatonga antsika hitodika amin’Andriamanitran, hiaiky ny fahotantsika, tsy hanao be marenina, tsy manilika andraikitra amin’ny hafa.
Izao anefa: ny fahotana nataontsika dia misy akony ratsy amin’ny fiainantsika (and 8) fa na izany aza dia io Andriamanitra io dia mitaiza. Navelan’Andriamanitra ho babo izy ireo fa tsy navelany ho ringana. Sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra ny fanahintsika, tiany hovonjena isika.
Tonga teo amin’ny hazo fijaliana Jesoa hitondra ny fahotantsika
Ekeo ny fitaizany fa sarobidy Aminy ianao
Ny tanjon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao dia ny handovanao fiainana mandrakizay.