Toriteny Alahady 23 Febroary 2020

« Mahatoky ny teny vavolombelon’ny Tompo »

Nalaina tao Kolosiana 3. 16- 17

16 Aoka ny tenin’ i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’ Andriamanitra.17 Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ ny teny, na amin’ ny asa, dia ataovy amin’ ny anaran’ i Jesoa Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’ Andriamanitra Ray amin’ ny alalany.

Fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra tao Kolosia.

Natao ho an’ny olona izay efa nandray an’i Kristy  ny epistily

MANAO AHOANA NO TOKONY HO FIAINAN’NY MPANOMPON’ANDRIAMANITRA ?

  1. Mila miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra : (and. 16)

Betsaka ny fampianarana miely izay misarika ny olona hiala amin’ny fanarahana an’Andriamanitra. Ny hoe « hitoetra » = monina, maharitra. Ny tenin’Andriamitra no irina hitoetra maharitra ary ho fiainana, amin’ny fahendrena rehetra : fankatoavana sy fampiharana.

Ampiasao amin’ny fahendrena ny Tenin’Andriamanitra, araka ny sitrapon’Andriamanitra sy fankatoavana

Ny olona miorina amin’ny tenin’ Andriamanitra dia miara-mankalaza an’Andriamanitra amin’ny mpanompon’Andriamanitra tahaka azy

Ny fontsika dia aoka ho fo feno Tenin’Andriamanitra, mba hahatonga ny asantsika ho mendrika ny Filazantsara

  1. Mila miasa amin’ny anaran’i Jesoa (and. 17)

Jesoa Kristy no mibaiko sy mitarika amin’ny zavatra rehetra na amin’ny asa fanompoana na amin’ny fiainana andavanandro. Tsy hiantehitra amin’ny herin’ny tena na hieboebo.

Azo antoka ny fahombiazana rehefa atao amin’ny anaran’i Jesoa ny asa.

Na amin’ny teny na amin’ny asa dia tokony ho mendrika Ilay niantso antsika no ataontsika

Isika mpanompon’Andriamanitra no tokony ho resy lahatra voalohany amin’ny Tenin’Andriamanitra mba hahatonga ny hafa hanaraka sy hankato izany ihany koa.

RAFINOANJANAHARY René, mpitandrina miza-draharaha