Toriteny Alahady 26 Aprily 2020
Alahady II manaraka ny Paska Loha-hevitra: « Vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny mino » Vavolombelona manao ahoana no kendren’ny Tompo amin’ny mpino? araka ny 2Kor 4: 16- 18
Alahady II manaraka ny Paska Loha-hevitra: « Vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny mino » Vavolombelona manao ahoana no kendren’ny Tompo amin’ny mpino? araka ny 2Kor 4: 16- 18
TORITENY: Lioka. 24: 44- 49 NY FITSANGANAN’I JESOA KRISTY TAMIN’NY MATY dia: Fahatanterahan’ny faminaniana tany amin’ny Testamenta Taloha (Gen 3/20; Isa 50/6; Sal. 22) Efa
“VAVOLOMBELON’NY FITSANGANAN’NY TOMPO NY MINO” FIDIRANA FIARAHABANA APOSTOLIKA FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA : Sal. 29: 1- 2 Hira: 194. 1, 2 Vavaka Fotoana ho an’ny ankizy sy
Zoma 21 Novambra 2025 : Marka 13. 33-37
Miverina indroa eto ny teny hoe « Miambena ». Inona tokoa moa no tena hevitr’izany Tenin’i Jesoa izany (Mar 13. 33, 35)?
Ireto ary no azo ambara:
«Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana ». Raha ny heviny ara-bakiteny dia hoe: « tsy pizin-torimaso », tahaka ireny mpiambina manao fisafoana im-polo kely amin’ny alina ireny, ary tsy reraka mandra-maraina; ary dia tsy misy mihodivitra aminy ny zavatra mitranga rehetra na dia izay farany madinika sy amin’ny antsipiriany indrindra aza. Fanampin’izany, ny miambina ihany koa dia olona tsy manaiky ampatoriana na amin’ny fomba ahoana amin’ny fomba ahoana fa tonga saina tsara, ary mamantatra ireo fambara samihafa. Tahaka izany no andrasan’i Jesoa amintsika eo am-piandrasana ny fiverenany indray: feno vavaka, mahay manavaka ny vary sy tsimparifary, ka tsy voafitaky ny fampianarana sy ny mpaminany sandoka.
Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina ». Eto kosa ny hoe miambina dia manana heviny ara-panahy kokoa, ilazana olona sady vonona amin’ny fiverenan’i Jesoa, (fanoharana no ataon’i Jesoa eto) tsy mipetraka miandry fotsiny anefa fa manao ny asa fanompoana rehetra mifanandrify amin’ny maha mpanompo, mandra-piavin’ny Tompony. Taomina ary isika mba tsy ho varimbariana fotsiny eo am-piandrasana ny fiveranan’i Jesoa, fa hitory ny Filazantsara amin’ny fomba sy fotoana rehetra.
Fanontaniana
Manao ahoana ny fiambenanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
« MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO »