FJKM Ambohijafy Fanantenana
Fokontany Ambohijafy, Kaominina Ambanivohitra Bemasoandro, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano
FJKM Ambohijafy Fanantenana
“ Mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo ” I Kor. 15, 58d
Previous
Next

Ireo vaovao farany

SAMPANA MPANAZAVA SY TILY

Ny Sampana Mpanazava sy Tily dia mampiasa ny Skotisma Mpanazava sy Tily mba hanabeazana ireo mpikambana ao aminy.  Fa amin’ny maha Sampana velona eto amin’ny

Read More »

Toriteny Alahady 05 Aprily 2020

« Vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny mino » TORITENY : Mar 11  1- 11 Tantaran’ny fiakaran’i Jesoa tamin’ny fomba manetriketrika tany Jerosalema izay lalana efa voasoritra alehany ary lalana

Read More »

FANDAHARANA Alahady 05 Aprily 2020

ALAHADIN’NY SAMPANDROFIA =================== Loha-hevitra : « Vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny mino » (litorjia endriny faharoa) Hira faneva 200t Sekoly FJKM FIARAHABANA APOSTOLIKA   FIDERANA  AN’ANDRIAMANITRA : Salamo 24 

Read More »

MOFONAINA

Zoma 21 Novambra 2025 :  Marka 13. 33-37

Miverina indroa eto ny teny hoe « Miambena ». Inona tokoa moa no tena hevitr’izany Tenin’i Jesoa izany (Mar 13. 33, 35)?

Ireto ary no azo ambara:

  1. Aza rendremana (and 33)

«Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana ». Raha ny heviny ara-bakiteny dia hoe: « tsy pizin-torimaso », tahaka ireny mpiambina manao fisafoana im-polo kely amin’ny alina ireny, ary tsy reraka mandra-maraina; ary dia tsy misy mihodivitra aminy ny zavatra mitranga rehetra na dia izay farany madinika sy amin’ny antsipiriany indrindra aza. Fanampin’izany, ny miambina ihany koa dia olona tsy manaiky ampatoriana na amin’ny fomba ahoana amin’ny fomba ahoana fa tonga saina tsara, ary mamantatra ireo fambara samihafa. Tahaka izany no andrasan’i Jesoa amintsika eo am-piandrasana ny fiverenany indray: feno vavaka, mahay manavaka ny vary sy tsimparifary, ka tsy voafitaky ny fampianarana sy ny mpaminany sandoka.

  1. Mahiratra tsara (and 35)

Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina ». Eto kosa ny hoe miambina dia manana heviny ara-panahy kokoa, ilazana olona sady vonona amin’ny fiverenan’i Jesoa, (fanoharana no ataon’i Jesoa eto) tsy mipetraka miandry fotsiny anefa fa manao ny asa fanompoana rehetra mifanandrify amin’ny maha mpanompo, mandra-piavin’ny Tompony. Taomina ary isika mba tsy ho varimbariana fotsiny eo am-piandrasana ny fiveranan’i Jesoa, fa hitory ny Filazantsara amin’ny fomba sy fotoana rehetra.

Fanontaniana

Manao ahoana ny fiambenanao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

LOHA-HEVITRA VOLANA NOVAMBRA

« MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO »