SAMPANA MPANAZAVA SY TILY
Ny Sampana Mpanazava sy Tily dia mampiasa ny Skotisma Mpanazava sy Tily mba hanabeazana ireo mpikambana ao aminy. Fa amin’ny maha Sampana velona eto amin’ny
Ny Sampana Mpanazava sy Tily dia mampiasa ny Skotisma Mpanazava sy Tily mba hanabeazana ireo mpikambana ao aminy. Fa amin’ny maha Sampana velona eto amin’ny
« Vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny mino » TORITENY : Mar 11 1- 11 Tantaran’ny fiakaran’i Jesoa tamin’ny fomba manetriketrika tany Jerosalema izay lalana efa voasoritra alehany ary lalana
ALAHADIN’NY SAMPANDROFIA =================== Loha-hevitra : « Vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny mino » (litorjia endriny faharoa) Hira faneva 200t Sekoly FJKM FIARAHABANA APOSTOLIKA FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA : Salamo 24
HAFATRA nalaina avy ao amin’ny 2Tantara 30: 6b- 9 « Ry zanak’ isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba
Alatsinainy 02 Febroary 2026 : Kol. 2. 8- 15
Anankiray amin’ny antsoina hoe: Epistilin’ny fifatorana ity Kolosiana ity, satria tany am-ponja tany Roma i Paoly no nanoratra azy. 1 Epafra no nampita tamin’i Paoly fa manambana ny Fiangonana tany Kolosia ny fampianaran-diso te hampifandray ny filazantsara amin’ny Filozofia, amin’ny fivavahana amin’ny anjely, ny amin’ny fampahorian-tena. Ary izany no mahatonga an’i Paoly manoratra azy ireo mba hitandrina:
1. Tsy ho voafitaky ny fampianarana sadasada (and 8)
«Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana…fa tsy araka an’i Kristy». Taomina ny Kristiana hihazona ny fampianarana araka an’i Kristy izay efa notoriana sy nampianarina azy, tsy hiroaroa saina na hirona amin’ny fampianarana mamitaka! Tano mafy izay anananao hoy i Jesoa mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao (Apo3.11)
2. Hitoetra ao amin’i Kristy (and 11)
«Ary tao aminy koa no namorana anareo…». Miverimberina eto ny hoe «ao aminy»! Midika izany ao amin’i Kristy irery ihany no itoeran’ny mino, ary Kristy irery ihany koa no ivon’ny fiainany sy tompom-pahefana tokana eo amin’ny fiainany koa na iza na inona hisarika azy hanalavitra an’i Kristy dia laviny marin-drano!
Mandehana ianao dia manaova toy izany koa!
3. Tsy hanadino fa efa olom-baovao (and 12)
«…fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa». Misongadina eto fa rehefa natao batisa ny mino dia manana fiainana vaovao ao amin’i Kristy izy (2 Kor 5. 17), koa tsy handrarak’ilo mby an-doha ka hiverina amin’ny fiainana lasa indray fa hizotra tsara amin’ny lalam-pamonjena! Tandremo ny 2 Pet 2. 221
Fanontaniana:
Aiza ho aiza ny fifandraisanao amin’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
« MAMPAHAFANTATRA NY ASAN’NY TOMPO NY SORATRA MASINA »