
Ivon’ny Jobily faha 50 taonan’ny Antoko mpihira JIZRAHIA
Ny teny Faneva no notorin’ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIELY Hanitra tamin’izany, izay manao hoe: « Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy » Sal.111/10b
Inona avy no asa ataon’Andriamanitra mahatonga ny mpanompony tsy hahay hangina fa tsy maintsy hidera Azy mandrakariva sy lalandava?
jereo ny and2-4, 9a ao amin’ny Salamo 111
- Mamonjy ny mpanompony Andriamanitra: misahirana izy hahatatanteraka famonjena sy famindrampo ho an’ny mpanompony
- Mikarakara sy mamelona (and 6)
- Mihazona fahamarinana ka maneho izany amin’ny fihazonany ny fanekena ifanaovany amin’ny vahoakany(and5b,7-8, 9b) Gen15/18
Tsy ezaka avy amin’ny olona izany fa tena avy amin’Andriamanitra, ka rariny raha deraina mandrakizay Andriamanitra.
Tsy tokony ho be fanahiana isika fa tokony hatao tsara ny fiderana. Aoka hifantoka amin’ny fanompoana
Fanekena vaovao nomena antsika Jesoa Kristy ka aoka isika hatoky sy ho feno fiderana.
Aiza no anaovana ny fiderana, amin’ny fomba manahoana, toetra manahoana ?
and 1: amin’ny fo rehetra no iderana an’Andriamanitra, tsy amin’ny ampahany na an-tendro molotra, atao amin’ny fahafenoana, tsy fombafomba na fahazarana fotsiny fa tena iainana
and 10b: Atao ao am-piangonana na eo amin’ny fivoriana masina ny fiderana, amin’ny filaminana
Mandrakizay= amin’ny fotoana rehetra.
Entrainnement no atao eto mialoha ny hidirana amin’ny fanjakan’Andriamanitra
Isaia 43/21: Natao hidera an’Andriamanitra isika n’inona n’inona manjo antsika
Ohatra tsara ho antsika ny nataon’ny mpianatra Lio19: 37-38
Samy efa nahita ny asan’Andriamanitra teo amin’ny fiainantsika isika ka ireny no manesika antsika hidera an’Andriamanitra mandrakariva.