TORITENY ALAHADY 10 Mey 2020

Alahady IV manaraka ny Paska

« Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina »

Nalaina tao amin’ny Lioka 13: 8-12

Fampianarana nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny mpianatra

Tiany hankato azy ireo mpianatra izany

Ny olona mankato ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia:

1-Manaiky an’i Jesoa ampahibemaso (and 8-9)

amin’ny alalan’ny teny, fihetsika, fitondrantena tsy amin-kenatra

2-Tsy miteny ratsy ny Fanahy Masina (and.10)

Tsy manohitra ny asan’ny Fanahy Masina, izay mampahatsiaro antsika ny fahalementsika mba hahazoantsika famelankeloka rehefa mibebaka isika

3-Ampitenen’ny Fanahy Masina (and 11-12):

mampianatra izay tokony holazaina ny Fanahy Masina, mampahafantatra ny olona ny marina ny amin’ny famonjen’Andriamanitra

Ny Fanahy Masina no manala ny tahotra sy ny ahiahy ary mamonjy antsika manoloana ny zava-tsarotra