TORITENY ALAHADY 09 FEBROARY 2020

Nalaina tao Matio 7 : 24- 29

Fehin-teny tamin’ny Toriteny fampianarana nataon’i Jesoa tao an-tendrombohitra (toko 5- 7)

Ahitana fahamarinana 2 lehibe :

  • Mahatoky ny Tenin’Andriamanitra ho an’izay mankato azy (and. 24)

Oharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izay mandre, mandrakitra ka mankato

Mankato : fanatanterahana izay asain’ny mpaniraka atao. Manao ary mahavita tsara, manorina na mametraka.

Nahoana moa no trano no noraisin’i Jesoa Kristy ho fanoharana : ny trano dia zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ; fonenana, natao iainana sy itoerana.

 Ny vatolampy : anehoana ny fahamafisana ka izay manorina eo amboniny dia mateza

Manantsaina : hendry, malina sy mitandrina eo amin’ny fiainana

Mampahatsiaro antsika ny fanoharana ny amin’ny virjiny folo, 5 adala sy 5 hendry any amin’ny Matio 25.2. Oharina amin’ny fahadalana ny tsy fankatoavana ny tenin’Andriamanitra

Jesoa Kristy mihintsy no miteny sy mampianatra eto mba ahatonga ny olona hatoky ny Tenin’Andriamanitra ka hanana fankatoavana

Tena iainantsika tokoa ve ny Tenin’Andriamanitra sady manaraka izany ve isika?

Vokatry ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra no nahafahan’ilay manantsaina nanorina ny tranony teo ambony vatolampy.

Isika no itenenan’i Jesoa Kristy ankehitriny mba hanana fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainam-panompoantsika, hanana finiavana ka hanao zavatra tsara, ary rehefa manao dia manao hahavitra rafitra tsara eo amin’ny zavatra izay tanterahina.

Ny trano eto dia entina ilazana ny finoana ao amin’ny mpanompon’Andriamanitra ary ny vatolampy dia i Jesoa Kristy

Aoreno ao amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy ny finoantsika mba haharitra sy hateza satria misy ny fisedrana sy fakam-panahy mandalo manoloana izany  ka mba handresy isika eo amin’ny fiainana, mba tsy ho voaozongozon’iza na iza.

  • Mahatoky ny tenin’Andriamanitra ka mahatalanjona (and. 28- 29)

Ahoana moa izany hoe talanjona izany arak’izao Soratra Masina izao?

Very hevitra nanolona ny fampianarana, tsy nanan-kambara ny vahoaka tsy nanan-kalahatra noho ny amin’ireo zava-mahagaga nataon’i Jesoa, ny fampianaran’i Jesoa koa dia fampianarana avy hatrany dia miteraka asa, avy hatrany dia maniraka ny olona hanatanteraka zavatra iray. Vokatry ny zavatra tsara sy ny teny tsara nataon’i Jesoa dia nitsiriritra Azy izy ireo, hany ka te hihaino Azy mandrakariva ary liana sy resy lahatra, satria tena mifanalavitra raha mitaha ny an’i Fariseo izay azo lazaina fa mpitaribato vilam-bava satria mampianatra fa tsy nanatanteraka.

Nisy fahefana ny teny nambaran’i Jesoa Kristy, mifono hafatra, maniraka. Hita miharihary teo amin’ny fiainany.

Isika no mpanompon’Andriamanitra itenenan’ny Soratra Masina ankehitriny  fa manahoana tokoa moa ny fiainatsika izay zavatra ambaran’ny Soratra Masina indrindra fa izay nambaran’i Kristy teo amin’ny olona rehetra ? Moa ve rehefa talanjona isika dia mijanona eo ihany ny fahatalanjonantsika. Te haniraka antsika ny Tompo rehefa nisy zavatra naharesy lahatra antsika dia aoka hiainantsika izany ary hambarantsika koa. Ho liana hihaino ny Tenin’Andriamanitra isika. Hianatra an’i Kristy ka hanatanteraka amin’ny fahamarinana ny zavatra torintsika sy ambaratsika ka mba ho lasa fakan-tahaka eo amin’ny fiainan’ny olona isika tsirairay avy

Tsy ho mpizara Tenin’Andriamanitra fotsiny na mpitaona ny hafa ihany isika fa tena hijoro vavolombelona tokoa ka hahariharitsika eo amin’ny fiainantsika ny Tenin’Andriamanitra.

Mpitandrina miza-draharaha : RAFINOANJANAHARY René