FJKM Ambohijafy Fanantenana
Fokontany Ambohijafy, Kaominina Ambanivohitra Bemasoandro, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano
FJKM Ambohijafy Fanantenana
“ Mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo ” I Kor. 15, 58d
Previous
Next

Ireo vaovao farany

Alahady 28 Febroary 2021

Alahady faharoa amin’ny Karemy Loha-hevitra« Mampiorina ny mino ny Tenin’Andriamanitra » Perikopa : 2Tan. 12/1-8 ; Jao 8/ 25-30 ; Heb.13/7- 11 Toriteny tamin’ny Fidirana

Read More »

TORITENY ALAHADY 10 Mey 2020

Alahady IV manaraka ny Paska « Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina » Nalaina tao amin’ny Lioka 13: 8-12 Fampianarana nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny mpianatra Tiany hankato

Read More »

MOFONAINA

Zoma 21 Novambra 2025 :  Marka 13. 33-37

Miverina indroa eto ny teny hoe « Miambena ». Inona tokoa moa no tena hevitr’izany Tenin’i Jesoa izany (Mar 13. 33, 35)?

Ireto ary no azo ambara:

  1. Aza rendremana (and 33)

«Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana ». Raha ny heviny ara-bakiteny dia hoe: « tsy pizin-torimaso », tahaka ireny mpiambina manao fisafoana im-polo kely amin’ny alina ireny, ary tsy reraka mandra-maraina; ary dia tsy misy mihodivitra aminy ny zavatra mitranga rehetra na dia izay farany madinika sy amin’ny antsipiriany indrindra aza. Fanampin’izany, ny miambina ihany koa dia olona tsy manaiky ampatoriana na amin’ny fomba ahoana amin’ny fomba ahoana fa tonga saina tsara, ary mamantatra ireo fambara samihafa. Tahaka izany no andrasan’i Jesoa amintsika eo am-piandrasana ny fiverenany indray: feno vavaka, mahay manavaka ny vary sy tsimparifary, ka tsy voafitaky ny fampianarana sy ny mpaminany sandoka.

  1. Mahiratra tsara (and 35)

Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina ». Eto kosa ny hoe miambina dia manana heviny ara-panahy kokoa, ilazana olona sady vonona amin’ny fiverenan’i Jesoa, (fanoharana no ataon’i Jesoa eto) tsy mipetraka miandry fotsiny anefa fa manao ny asa fanompoana rehetra mifanandrify amin’ny maha mpanompo, mandra-piavin’ny Tompony. Taomina ary isika mba tsy ho varimbariana fotsiny eo am-piandrasana ny fiveranan’i Jesoa, fa hitory ny Filazantsara amin’ny fomba sy fotoana rehetra.

Fanontaniana

Manao ahoana ny fiambenanao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

LOHA-HEVITRA VOLANA NOVAMBRA

« MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO »