Sampana Dorkasy

  • Post category:DORKASY

 “Dorkasy miasa … miaina amin’ny fitiavana”

Vina sy tanjona:

Mitory sy manambara ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy

Manolokolo sy mitaiza ny tanora sy ny ankizy ary ny olon-dehibe amin’ny  alalan’ny fampivoarana ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra: saina, vatana, fanahy

Manasoa ny mpiara-belona amin’ny fanomezam-pahasoavana

Teny faneva:                        “Dorkasy miasa … miaina amin’ny fitiavana” (Jao. 9: 4b, Lioka 7: 47b)

Niorina tamin’ny taona 1869 ary manana mpikambana 100 ao anatiny, afaka miditra ho mpikambana ny vehivavy 16 taona no ho mihoatra

Ireo birao am-perinasa (2019-2023):

FILOHARASOARIMANGA Josephine
FILOHA MPANAMPYRAZAIALISOA Volahanitriniaina Jocelyne
MPITANTSORATRA PVRAMINOARIVELO Fanja
 RAZAFINDRAVONY Vololonirina Nicole
MPITANTSORATRY NY VOLARATSIMBAZAFY Marie Agnès
MPITAHIRY VOLARAZAIARISOA Angeline
MPANOLOTSAINARASOLONJATOVO Bakoarisoa
  
Mpiandraikitra Antoko mpihiraRASOLONJATOVO Bakoarisoa
 RAHARINJATOVO Yolande Aimée

Fotoam-pivoriana: Alarobia hariva amin’ny 02 ora sy sasany

  • Alarobia voalohany: Asa sy Fampaherezana
  • Alarobia faharoa: Fotoam-bavaka
  • Alarobia fahatelo: Fandalinana Soratra Masina
  • Alarobia fahefatra: Fiofanana sy fifampizaràna

Misy hatrany ny fandinihana Soratra Masina ao anatin’ireo fotoana ireo.

Misy komity 20 ao amin’ny fikambanana mamolavola sy manatanteraka ny asa rehetra.

Fandaharanasa:

  • Manao asa sosialy (fitsaboana) ho an’ny rehetra, indroa isan-taona
  • Mitaiza sy manabe ireo ankizy sahirana (ara-batana, saina, fanahy)
  • Manafy ireo ray aman-dreny 70 taona mihoatra ao amin’ny fikambanana
  • Mitory ny Filazantsara amin’ny sehatra rehetra
  • Manana adidy any ivelany sy eto an-toerana
  • Mizara fanampiana amin’ny sahirana isan-taona

Hetsika mandritry ny taona:

Mikarakara Seminera alohan’ny anjara fotoana Aprily (Herinandro)

Antsankira fiderana ny hariva (Aprily, Aogositra)

Fidiram-bola:

Mampanofa fitaovana (Lovia, Sotro, lamban-databatra, vera, vilany, sns…)

Ireo adidy isan-taona ataon’ny Mpikambana

Vokatra sy hetsika samihafa

Tolotra avy amin’ny olona

Seraseram-pifandraisana: 034 29 070 63