
NY FIORENANY
Amin’ny maha fikambanana miankina amin’ny fiangonana azy dia eto amin’ny Fitandremana Ambohijafy Fanantenana no foiben-toeran’ny fikambanan’ny mpitendry sy mpikirakira-zava-maneno. Izay niorina tamin’ny Aogositra 2015 taorian’ny fihaonamben’ny mpitendry sy mpikirakira zava-maneno tany amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana.
NY FOTOTRA IJOROANY
Ny finoana
Ny fikambanan’ny mpitendy sy mpikirakira zava-maneno dia mino sy manaiky :
- Ny maha Andriamanitra tokana ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina.
- Ny maha Andriamanitra tonga nofo an’i Jesoa Kristy.
- Ny tenin’Andriamanitra araka izay isehoany ao amin’ny baiboly no fototra ijoroan’ny finoana iainan’ny
mpikambana rehetra.
- Ny fijoroana vavolombelona nasehoan’i Jesoa Kristy teo amin’ny andro niainany.
Zava- kendrena
“Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianareo” I Tim 4 : 12 – – –
- Hijoro vavolombelona amin’ny lafiny rehetra : Finoana, Fitiavana, Fitondran-tena,…
- Ahatratra ny lafim-piainan’ny mpikambana ny filazantsara : na amin’ny Fanahy, na ny Vatana, ary ny Aina.
- Hanampy, hitaiza ary hijery izay mahasoa ny mpikambana mba ho tena tompon’andraikitra eo amin’ny
fiangonana sy ny fiaraha-monina.
NY MPIKAMBANA
- Afaka mirotsaka ho mpikambana avokoa ny olona rehetra izay efa “Mpandray ny fanasan’ny Tompo”.
- Olon’ny fiangonana : miangona ara-dalàna, manaiky sy manaja ny fandaminana ataon’ny fiangonana ary
miaina amin’ny fiainam-piangonana.
