SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA

 – Tanjona

Hitory ny Filazantsara amin’ny lehilahy rehetra hahatonga azy ho lehilahy kristiana mahomby, handray andraikitra eo amin’ny fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo, mba ho « Lehilahy mahatratra ny ohatry ny fahafenoan’i Kristy » Efe.13:4

 – Tantara

Tamin’ny taona 1873 no najoro ny Fikambanan’ny Tanora Kristiana natao hoe : Fikambanan’ny Kristiana Tovolahy. Ny 1879 araka ny voalaza momba ny STK naka anarana vaovao io FKT io ka nomena ny hoe : Sosaiety Ifampandrosoam-pirenena.

Ny SLK ankehitriny no manohy ny asan’izany fikambanana izany ary tamin’ny Synoda Lehibe faha-VIII tany Antsiranana tamin’ny 1982 no niorenan’ny SLK tato amin’ny FJKM

Teny Faneva: “ Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, ry lehilahy mahery”

 ( II Tim. 1.8a; Mpits 6: 12b)

Teny Filamatra: SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA MITOMBO AMIN’NY FAHATSARANA, MITOMBO AMIN’NY FAHAMAROANA, MIRINDRA AMIN’NY FOMBA FIASA

Raha ny eto amin’ny Fitandremana dia toy izao:

 – Tantara Niorenany: niorina tamin’ny taona 1998 ary notokanana ny  Alahady 10 Mey 1998

 – Mampiavaka azy: Tsy misy fe-taona ny olona antsoina ho ao amin’ny SLK fa ny lehilahy rehetra tsy misy fanavahana eo amin’ny Fiangonana

 – Fotoam-pivoriana: isaky ny Alakamisy hariva amin’ny 6ora sy sasany ka hatramin’ny 8 ora alina: fiarahana mandinika Soratra Masina sy fifampitondrana am-bavaka ary isaky ny Alahady hariva amin’ny 4 ora ny fianaran-kira

 – Rantsana misy ao aminy: Antokompihira sy Fanatanjahantena

 – Birao:

Ny Sampana Lehilahy Kristiana Ambohijafy Fanantenana dia manana ny biraony ka ireto avy izy ireo izay miasa mandritry ny 4 taona ( taona 2024-2028 )

NY FILOHARANAIVOMANJATO Harimamy 
NY FILOHA MPANAMPY RAKOTONDRANAIVO Martin  
NY MPITANTSORATRA PVRANDRIAMALALA Arisoa Tojoniaina
034 97 098 36
MPITANTSORATRY NY VOLA RANDRIANARINOVA Eugène   
MPITAHIRY VOLARAKOTONIRINA Ndianandrasana 
MPANOLOTSAINAANDRIAFARALAHINIRINAHARIMANANA Jean louis 
 RASAMOELINA Jean Freddy
Mpiandraikitra Antoko Mpihira
Mpiandraikitra Sport

Ary ny Biraom-piangonana mpiahy dia: Atoa RAKOTOARIVONY Clément Olivier