Mahakasika ny Fikambanana FIMPIZ

  • Post category:FIMPIZ

Amin’ny maha fikambanana miankina amin’ny fiangonana azy dia eto amin’ny Fitandremana Ambohijafy Fanantenana no foiben-toeran’ny fikambanan’ny mpitendry sy mpikirakira-zava-maneno. Izay niorina tamin’ny Aogositra 2015 taorian’ny fihaonamben’ny mpitendry sy mpikirakira zava-maneno tany amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana.

Ny fikambanan’ny mpitendy sy mpikirakira zava-maneno dia mino sy manaiky :

  • Ny maha Andriamanitra tokana ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina.
  • Ny maha Andriamanitra tonga nofo an’i Jesoa Kristy.
  • Ny tenin’Andriamanitra araka izay isehoany ao amin’ny baiboly no fototra ijoroan’ny finoana iainan’ny
    mpikambana rehetra.
  • Ny fijoroana vavolombelona nasehoan’i Jesoa Kristy teo amin’ny andro niainany.

“Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianareo” I Tim 4 : 12 – – –

  • Hijoro vavolombelona amin’ny lafiny rehetra : Finoana, Fitiavana, Fitondran-tena,…
  • Ahatratra ny lafim-piainan’ny mpikambana ny filazantsara : na amin’ny Fanahy, na ny Vatana, ary ny Aina.
  • Hanampy, hitaiza ary hijery izay mahasoa ny mpikambana mba ho tena tompon’andraikitra eo amin’ny
    fiangonana sy ny fiaraha-monina.
  • Afaka mirotsaka ho mpikambana avokoa ny olona rehetra izay efa “Mpandray ny fanasan’ny Tompo”.
  • Olon’ny fiangonana : miangona ara-dalàna, manaiky sy manaja ny fandaminana ataon’ny fiangonana ary
    miaina amin’ny fiainam-piangonana.