SAMPANA MPANAZAVA SY TILY

  • Post category:SAMPATI

Ny Sampana Mpanazava sy Tily dia mampiasa ny Skotisma Mpanazava sy Tily mba hanabeazana ireo mpikambana ao aminy. 

Fa amin’ny maha Sampana velona eto amin’ny Fiangonana FJKM koa dia manatanteraka ny iraka sy vinan’ny Fiangonana ny SAMPATI dia ny hoe « Mitory ny filazantsara eny amin’ny tany rehetra ».

Tanjon’ny fanabeazana Skoto ny hoe « Hamolavola zatovo vanona sy vonona ilain’ny Firenena, Fiangonana ary ny Fianankaviana » ka mampivelatra azy ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy, ara-pietseham-po ary ara-piarahamonina.

Amin’ny rafitra fikambanan Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara, dia antsoina hoe Fivondronana faha-252 Fanantenana ny vondrona Tily manokana raha toa ka hoe Fivondronana Mpanazava sy Tily Ambohijafy Fanantenana no fiantso ny fitambarany.

IREO BIRAO:
Filoha: NOMENJANAHARY Fenosoa
Filoha mpanampy: RATSIMBAZAFY Annie Brigitte
Mpitantsoratra PV: ANDRIAMAROMANANA Nantenaina Ravo
Mpitantsoratry ny vola: RAKOTONDRASOA Lalaina Marius
Mpitahiry vola: RAHARISON Tahinarivola Nambinintsoa
Mpanolotsaina (02) : RADIMILAHY Fanomezantsoa Olivier
RANAIVOMANANA Hery Liva