FJKM Ambohijafy Fanantenana
Fokontany Ambohijafy, Kaominina Ambanivohitra Bemasoandro, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano
FJKM Ambohijafy Fanantenana
“ Mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo ” I Kor. 15, 58d
Previous
Next

Ireo vaovao farany

SAMPANA SEKOLY ALAHADY

Ireo mpikambana ao amin’ny Birao (2019- 2023) Filoha: RANAIVOSON Joseph Filoha mpanampy 01: RAKOTOARIVELO ANDRIAMIHAJA Mamy Filoha mpanampy 02 : RAKOTONDRASOA Andrianambinina Mpitantsoratra PV: RASOARINOROLALAO

Read More »

SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA

 – Tanjona Hitory ny Filazantsara amin’ny lehilahy rehetra hahatonga azy ho lehilahy kristiana mahomby, handray andraikitra eo amin’ny fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona

Read More »

Toriteny Alahady 01 Martsa 2020

« MIVERENA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO » Nalaina tao Jeremia 3 : 11- 17 Ahitantsika antsoantson’Andriamanitra ho an’ny olona mba hiverina Aminy noho ny fitiavany ANTSON’ANDRIAMANITRA : tsy antso tany

Read More »

MOFONAINA

Alatsinainy 02 Febroary 2026 :  Kol. 2. 8- 15

Anankiray amin’ny antsoina hoe: Epistilin’ny fifatorana ity Kolosiana ity, satria tany am-ponja tany Roma i Paoly no nanoratra azy. 1 Epafra no nampita tamin’i Paoly fa manambana ny Fiangonana tany Kolosia ny fampianaran-diso te hampifandray ny filazantsara amin’ny Filozofia, amin’ny fivavahana amin’ny anjely, ny amin’ny fampahorian-tena. Ary izany no mahatonga an’i Paoly manoratra azy ireo mba hitandrina:

1. Tsy ho voafitaky ny fampianarana sadasada (and 8)

«Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana…fa tsy araka an’i Kristy». Taomina ny Kristiana hihazona ny fampianarana araka an’i Kristy izay efa notoriana sy nampianarina azy, tsy hiroaroa saina na hirona amin’ny fampianarana mamitaka! Tano mafy izay anananao hoy i Jesoa mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao (Apo3.11)

2. Hitoetra ao amin’i Kristy (and 11)

«Ary tao aminy koa no namorana anareo…». Miverimberina eto ny hoe «ao aminy»! Midika izany ao amin’i Kristy irery ihany no itoeran’ny mino, ary Kristy irery ihany koa no ivon’ny fiainany sy tompom-pahefana tokana eo amin’ny fiainany koa na iza na inona hisarika azy hanalavitra an’i Kristy dia laviny marin-drano!

Mandehana ianao dia manaova toy izany koa!

3. Tsy hanadino fa efa olom-baovao (and 12)

«…fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa». Misongadina eto fa rehefa natao batisa ny mino dia manana fiainana vaovao ao amin’i Kristy izy (2 Kor 5. 17), koa tsy handrarak’ilo mby an-doha ka hiverina amin’ny fiainana lasa indray fa hizotra tsara amin’ny lalam-pamonjena! Tandremo ny 2 Pet 2. 221

Fanontaniana:

Aiza ho aiza ny fifandraisanao amin’i Kristy?

 

Sampana Sekoly Alahady Foibe

LOHA-HEVITRA VOLANA FEBROARY 2026

« MAMPAHAFANTATRA NY ASAN’NY TOMPO NY SORATRA MASINA »