SAMPANA SEKOLY ALAHADY
Ireo mpikambana ao amin’ny Birao (2019- 2023) Filoha: RANAIVOSON Joseph Filoha mpanampy 01: RAKOTOARIVELO ANDRIAMIHAJA Mamy Filoha mpanampy 02 : RAKOTONDRASOA Andrianambinina Mpitantsoratra PV: RASOARINOROLALAO
Ireo mpikambana ao amin’ny Birao (2019- 2023) Filoha: RANAIVOSON Joseph Filoha mpanampy 01: RAKOTOARIVELO ANDRIAMIHAJA Mamy Filoha mpanampy 02 : RAKOTONDRASOA Andrianambinina Mpitantsoratra PV: RASOARINOROLALAO
– Tanjona Hitory ny Filazantsara amin’ny lehilahy rehetra hahatonga azy ho lehilahy kristiana mahomby, handray andraikitra eo amin’ny fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona
« MIVERENA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO » Nalaina tao Jeremia 3 : 11- 17 Ahitantsika antsoantson’Andriamanitra ho an’ny olona mba hiverina Aminy noho ny fitiavany ANTSON’ANDRIAMANITRA : tsy antso tany
Zoma 21 Novambra 2025 : Marka 13. 33-37
Miverina indroa eto ny teny hoe « Miambena ». Inona tokoa moa no tena hevitr’izany Tenin’i Jesoa izany (Mar 13. 33, 35)?
Ireto ary no azo ambara:
«Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana ». Raha ny heviny ara-bakiteny dia hoe: « tsy pizin-torimaso », tahaka ireny mpiambina manao fisafoana im-polo kely amin’ny alina ireny, ary tsy reraka mandra-maraina; ary dia tsy misy mihodivitra aminy ny zavatra mitranga rehetra na dia izay farany madinika sy amin’ny antsipiriany indrindra aza. Fanampin’izany, ny miambina ihany koa dia olona tsy manaiky ampatoriana na amin’ny fomba ahoana amin’ny fomba ahoana fa tonga saina tsara, ary mamantatra ireo fambara samihafa. Tahaka izany no andrasan’i Jesoa amintsika eo am-piandrasana ny fiverenany indray: feno vavaka, mahay manavaka ny vary sy tsimparifary, ka tsy voafitaky ny fampianarana sy ny mpaminany sandoka.
Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina ». Eto kosa ny hoe miambina dia manana heviny ara-panahy kokoa, ilazana olona sady vonona amin’ny fiverenan’i Jesoa, (fanoharana no ataon’i Jesoa eto) tsy mipetraka miandry fotsiny anefa fa manao ny asa fanompoana rehetra mifanandrify amin’ny maha mpanompo, mandra-piavin’ny Tompony. Taomina ary isika mba tsy ho varimbariana fotsiny eo am-piandrasana ny fiveranan’i Jesoa, fa hitory ny Filazantsara amin’ny fomba sy fotoana rehetra.
Fanontaniana
Manao ahoana ny fiambenanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
« MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO »