– Tanjona
Hitory ny Filazantsara amin’ny lehilahy rehetra hahatonga azy ho lehilahy kristiana mahomby, handray andraikitra eo amin’ny fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo, mba ho « Lehilahy mahatratra ny ohatry ny fahafenoan’i Kristy » Efe.13:4
– Tantara
Tamin’ny taona 1873 no najoro ny Fikambanan’ny Tanora Kristiana natao hoe : Fikambanan’ny Kristiana Tovolahy. Ny 1879 araka ny voalaza momba ny STK naka anarana vaovao io FKT io ka nomena ny hoe : Sosaiety Ifampandrosoam-pirenena.
Ny SLK ankehitriny no manohy ny asan’izany fikambanana izany ary tamin’ny Synoda Lehibe faha-VIII tany Antsiranana tamin’ny 1982 no niorenan’ny SLK tato amin’ny FJKM
– Teny Faneva: “ Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, ry lehilahy mahery”
( II Tim. 1.8a; Mpits 6: 12b)
Teny Filamatra: SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA MITOMBO AMIN’NY FAHATSARANA, MITOMBO AMIN’NY FAHAMAROANA, MIRINDRA AMIN’NY FOMBA FIASA
Raha ny eto amin’ny Fitandremana dia toy izao:
– Tantara Niorenany: niorina tamin’ny taona 1998 ary notokanana ny Alahady 10 Mey 1998
– Mampiavaka azy: Tsy misy fe-taona ny olona antsoina ho ao amin’ny SLK fa ny lehilahy rehetra tsy misy fanavahana eo amin’ny Fiangonana
– Fotoam-pivoriana: isaky ny Alakamisy hariva amin’ny 6ora sy sasany ka hatramin’ny 8 ora alina: fiarahana mandinika Soratra Masina sy fifampitondrana am-bavaka ary isaky ny Alahady hariva amin’ny 4 ora ny fianaran-kira
– Rantsana misy ao aminy: Antokompihira sy Fanatanjahantena
– Birao:
Ny Sampana Lehilahy Kristiana Ambohijafy Fanantenana dia manana ny biraony ka ireto avy izy ireo izay miasa mandritry ny 4 taona ( taona 2024-2028 )
| NY FILOHA | RANAIVOMANJATO Harimamy | |
| NY FILOHA MPANAMPY | RAKOTONDRANAIVO Martin | |
| NY MPITANTSORATRA PV | RANDRIAMALALA Arisoa Tojoniaina 034 97 098 36 | |
| MPITANTSORATRY NY VOLA | RANDRIANARINOVA Eugène | |
| MPITAHIRY VOLA | RAKOTONIRINA Ndianandrasana | |
| MPANOLOTSAINA | ANDRIAFARALAHINIRINAHARIMANANA Jean louis | |
| RASAMOELINA Jean Freddy | ||
| Mpiandraikitra Antoko Mpihira | ||
| Mpiandraikitra Sport | ||
Ary ny Biraom-piangonana mpiahy dia: Atoa RAKOTOARIVONY Clément Olivier
