“Dorkasy miasa … miaina amin’ny fitiavana”
Vina sy tanjona:
Mitory sy manambara ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy
Manolokolo sy mitaiza ny tanora sy ny ankizy ary ny olon-dehibe amin’ny alalan’ny fampivoarana ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra: saina, vatana, fanahy
Manasoa ny mpiara-belona amin’ny fanomezam-pahasoavana
Teny faneva: “Dorkasy miasa … miaina amin’ny fitiavana” (Jao. 9: 4b, Lioka 7: 47b)
Niorina tamin’ny taona 1869 ary manana mpikambana 100 ao anatiny, afaka miditra ho mpikambana ny vehivavy 16 taona no ho mihoatra
Ireo birao am-perinasa (2019-2023):
| FILOHA | RASOARIMANGA Josephine |
| FILOHA MPANAMPY | RAZAIALISOA Volahanitriniaina Jocelyne |
| MPITANTSORATRA PV | RAMINOARIVELO Fanja |
| RAZAFINDRAVONY Vololonirina Nicole | |
| MPITANTSORATRY NY VOLA | RATSIMBAZAFY Marie Agnès |
| MPITAHIRY VOLA | RAZAIARISOA Angeline |
| MPANOLOTSAINA | RASOLONJATOVO Bakoarisoa |
| Mpiandraikitra Antoko mpihira | RASOLONJATOVO Bakoarisoa |
| RAHARINJATOVO Yolande Aimée |
Fotoam-pivoriana: Alarobia hariva amin’ny 02 ora sy sasany
- Alarobia voalohany: Asa sy Fampaherezana
- Alarobia faharoa: Fotoam-bavaka
- Alarobia fahatelo: Fandalinana Soratra Masina
- Alarobia fahefatra: Fiofanana sy fifampizaràna
Misy hatrany ny fandinihana Soratra Masina ao anatin’ireo fotoana ireo.
Misy komity 20 ao amin’ny fikambanana mamolavola sy manatanteraka ny asa rehetra.
Fandaharanasa:
- Manao asa sosialy (fitsaboana) ho an’ny rehetra, indroa isan-taona
- Mitaiza sy manabe ireo ankizy sahirana (ara-batana, saina, fanahy)
- Manafy ireo ray aman-dreny 70 taona mihoatra ao amin’ny fikambanana
- Mitory ny Filazantsara amin’ny sehatra rehetra
- Manana adidy any ivelany sy eto an-toerana
- Mizara fanampiana amin’ny sahirana isan-taona
Hetsika mandritry ny taona:
Mikarakara Seminera alohan’ny anjara fotoana Aprily (Herinandro)
Antsankira fiderana ny hariva (Aprily, Aogositra)
Fidiram-bola:
Mampanofa fitaovana (Lovia, Sotro, lamban-databatra, vera, vilany, sns…)
Ireo adidy isan-taona ataon’ny Mpikambana
Vokatra sy hetsika samihafa
Tolotra avy amin’ny olona
Seraseram-pifandraisana: 034 29 070 63
