« MIVERENA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO »
Nalaina tao Jeremia 3 : 11- 17
Ahitantsika antsoantson’Andriamanitra ho an’ny olona mba hiverina Aminy noho ny fitiavany
ANTSON’ANDRIAMANITRA : tsy antso tany an’efitra fa antso mifanatrika no hita eto ary miverimberina izany
Ankehitriny dia isika Fiangonana no Israelin’Andriamanitra antsoiny
- Ny fiverenan’ny olona eo amin’Andriamanitra dia mahafaly Azy: (and. 12b)
« Raha miverina ianao dia tsy hampanjombona ny tavako aminao Aho »
Tsy endrika ivelany fa tena fifamatoram-piainana no tadiavin’Andriamanitra
Te hifaly noho ny aminao Jesoa Kristy
- Ahoana marina moa izany miverina amin’Andriamanitra izany (and. 13)
Ao amin’ny fiaikena heloka. Mitodika amin’ny tenany aloha ary mandinintena mandrakariva eo amin’ny fiainany hoe izaho ve tena mitoetra eo amin’ny Tenin’Andriamanitra, izaho ve tena mihaino ny feon’Andriamanitra, mitombina tsara ve sa ilay mivezivezy na mihodinkodina ?
Inona ny Tenin’Andriamanitra izay tsy tianao henoina na tsy tianao hatao ?
Endriky ny fihodinana amin’Andriamanitra izany na tsy fihainoana an’Andriamanitra.
Ny andron’ny karemy dia andro fandinihantena
- Inona no vokatr’izany fiverenana amin’ny Tompo izany (and. 14)
Rehefa tena miverina amin’ny Tompo ny olona dia Izy mihitsy no miteny, manolotena antsika mandray antsika indray ho vadiny = ho tompony, te hikarakara antsika, hanavao feno ny fiainantsika tsirairay avy amin’ny heriny amin’ny maha Tompo Azy sy amin’ny fitiavany amin’ny maha vady Azy.
Israely no nanambarana mivantana eto ary Andriamanitra mihitsy no manafaka azy avy any amin’ny fahababoana, ho any amin’ilay toerana izay efa nanaovany fanekena
Ataovy zava-dehibe aminao fa tsy navelany nirenireny tany na nangatsiaka tany ianao fa tonga kosa hiatrika sy manatrika Azy.
Ny olona miverina amin’ny Tompo dia karakarainy (and. 15)
Andriamanitra manome mpitondra araka ny sitra-pony, hitondra azy amin’ny fifandraisana feno amin’ny Andriamanitra.
Fanambin’Andriamanitra amintsika= mila miverina amin’Andriamanitra isika
Tian’Andriamanitra hitombo sy hivelatra araka ny sitrapon’Andriamanitra koa izy (and. 16, 17)
Tsy hitady ilay fiaran’ny faneken’Andriamanitra izay mariky ny fanatrehan’Andriamanitra intsony izy fa ataony ao am-po izany, ao ilay seza fiandrianan’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesoa Kristy mitoetra ao anatintsika, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Hitoetra ao amin’ny Jerosalemanao Andriamanitra. Ao izy no maneho ny heriny
Rehefa monina ao Andriamanitra dia tsy hanjaka ao intsony ilay ratsy ; mandositra ilay ratsy satria hitany eo amin’ny fiainanao izany. Na dia tsy miteny aza ianao dia ho tsapan’ny olona eo aminao izany ka ny ratsy mandositra fa ny jentilisa kosa dia hitady an’Andriamanitra ho tonga eo amin’izany fanatrehan’Andriamanitra izany. « Amin’izany andro izany no hanonona an’i Jerosalema hoe seza fiandrianan’i Jehovah ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran’i Jehovah any Jerosalema » Tianao ve ny hanatanterahan’ny Tompo aminao izany teniny izany ? izany fahamarinana izany, tianao ve ho hita eo amin’ny fiainanao izany herin’Andriamanitra miasa eo aminao izany, tianao ve tena hatsangan’Andriamanitra izay rava eo amin’ny fiainanao, tianao ve ny omen’Andriamanitra mpitondra hitondra anao eo amin’ny fahalalana sy ny fahendrena ianao, tianao ve ny hamerenan’Andriamanitra ao aminy indray ka ahitany fifaliana koa rehefa mijery sy manatrika anao dia hoy ny Tompo hoe : « MIVERENA, MIVERENA ,MIVERENA FA TSY HAMPANJOMBONA NY TAVAKO AMINAO AHO, HAMINDRA FO AMINAO AHO KA TSY HITAHIRY FAHATEZERANA MANDRAKIZAY » Rehefa miverina ianao dia tena faly ny Tompo, hikarakara anao manokana, ny antsimpirihan’ny fiainanao sy ny tanànao sy ny manontolonao Jesoa Kristy Amena.
ANDRIANALIJAONA Norosoa, Mpitandrina