Izany no loha-hevitra banjin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara mandritra izao volana Febroary 2020 izao
Fanazavana:
mahatoky: marina,tsy mivadika, maharitra azo ianteherana
Teny vavolombelona: nisy fanekena, * izay fanekena nataon’Andriamanitra izay dia marina tsy mivadika azo ianteherana
1Jao 1:1-4
» 1 Izay hatramin’ ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ ny tananay, dia ny amin’ ny Teny Fiainana2 (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ ny Ray ka efa naseho taminay), -3 izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ ny Ray sy amin’ i Jesosy Kristy Zanany.4 Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika. «
————————————
Jaona apostoly no manoratra ary mijoro vavolombelona
izay efa renay… manambara olona maro, mafy orina io fanambarana izay ataony io ary mampiseho ny fahefana dia ilay Teny fiainana
Inona no toetr’ilay Teny fiainana?
1-mandrakizay (and.1): « izay hatramin’ny voalohany »
Manambara ilay fiandohana tsy voafetran’ny fisainan’ny olombelona
(commencement absolu), tsy azo refesina; tsy hita noanoa ary maharitra.
Nandray izay Teny fiainana izany ny vavahadin-tsainy rehetra (maso, tanana, sofiny) ny maha-olona azy rehetra dia voakasik’ilay teny fiainana. Tsy mba voafatotra fa mandeha hatrany.
2-efa naseho (and.2) azo tsapaina, tsy iza izany fa i Jesoa Kristy ilay naka endrika nofo.
Ilay teny fiainana izany dia tsy tsangan-kevitra na tononkalo mahasondriana fa olona, izay tsy iza fa i Jesoa Kristy; ilay nambaran’i Jaona ihany koa fa « Teny tonga nofo » Izy ilay manome ilay tena fiainana.
Isika ve efa mahatsapa fa i Jesoa Kristy tokoa no ilay teny fiainana?
izay no fanantenantsika ary inoantsika.Miantoka ny mandrakizaintsika
Ny tanjon’ny fijoroana vavolombelona: and.3 sy 4 dia ny haneho fa ilay teny fiainana no mampiombona, mampiray.
firaisana= fiombonana masina, fiarahana sy fifampizarana ary ao anaty Fiangonana no ahitana izany.
Izay teny nandray ny teny fiainana dia mankamamy izany fiombonana masina izany izy ary tonga fiangonana iray maneho ho hita maso ilay firaisana.
3-Mitondra fifaliana. Ny fifaliana tena izy dia ny fifaliana vokatry ny fiombonana amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Zanany ary fifaliana vokatry ny fandraisantsika ilay teny fiainana.Ilay fiainan’Andriamanitra dia Fiainam-pifaliana satria ilay teny fiainana no Filazantsara mitondra famonjena miteraka fifaliana mahagaga eo amin’ny fiainatsika tsirairay avy. Fifampizarana fiainana eo samy kristiana sy amintsika sy Andriamanitra ilay loharanon’ny fifaliana.
Fehiny: mahatoky ny teny vavolombelona, tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy satria mandrakizay, maharitra tsy miova io, azo ianteherana ary indrindra mahatonga fiombonana amintsika rehetra sy amintsika sy Andriamanitra ary miteraka fifaliana ao amin’ny fiainantsika
Irinao ve izany?
Sokafy ny fonao ary raiso tsotra izany teny fiainana izany. Amen
Toriteny tamin’ny Alahady 02 Febroary 2020 nentin’ny Mpitandrina ANDRIANALIJAONA Norosoa

Misaotra indrindra e (y)