“MIVERENA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO
JOELA 2:12-17
Hitantsika mihasinkasina ao anatin’ny bokin’i Joela ny fihavian’ny andron’i Jehovah, andro lehibe sy mahatahotra andro izay itsaran’Andriamanitra izao tontolo izao ary itsarany koa ny Zanak’Israely
Ny toko 2 dia Fampiomanana ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’i Joela mpaminany fa antomotra izany fihavian’ny andron’i Jehovah izany ka manao antso avo lehibe amin’ny olona Andriamanitra mba hiverina marina Aminy
Zavatra 4 no hojerentsika: Iza marina no miantso, iza no iantefan’ny antso, rahoviana no tokony hiverina ary ahoana no fomba iverenana
- Iza no miantso?
Andriamanitra, mpitsara marina, mahita ny miafina rehetra, mahalala ny ao am-pon’ny olona rehetra.
Andriamanitra tsy azo vazivaziana fa mahalala ny zavatra rehetra. Fa io Andriamanitra io koa ilay Andriamanitra mpamindra fo sy miantra (and 13) mahari-po sady be famindrampo; Andriamanitra fitiavana, manao antso avo amintsika rehetra. Tsy mamely tampoka. Andriamanitra izay tia antsika tao amin’i Jesoa Kristy ka efa namelatra ny fitiavany sy ny fony tamin’ny alalan’ny nampidinany an’i Jesoa Kristy ho antsika tsirairay avy.
- Iza no iantefan’ny antso?
(and 16) ny olona rehetra; ny sokajin’olona rehetra manomboka amin’ny kely indrindra ka ny lehibe tsy ny jentilisa anefa fa ny zanak’Israely, tsy ny olona mirenireny eny an-dalambe eny fa ny Fiangonana: ny sokajin’olona rehetra ao amin’ny Fiangonana no antsoina hiverina na mpitondra fivavahana na ny entina, ny sampana sy ny fikambanana ao amin’ny Fiangonana.
- Rahoviana no tokony hiverina?
And 12: “koa na dia ankehitriny aza hoy Jehovah”. Tsy miandriandry fa raha mbola misy ny ankehitriny dia miverena. Mbola tsy tratra aoriana, mbola tsy tara. Tsy hoe rehefa mikimpy ny masonao vao hiverina. Antsoina ianao hiverina fa mandray anao ny Tompo
- Ahoana ny fomba iverenana amin’ny Tompo
And 12-13:… amin’ny fo rehetra, amin’ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana, ary ny fonareo no triatriaro fa aza ny fitafianareo…
Amin’ny fo rehetra no iverenana. Ny fo dia manambara ny manontolonao izay ivon’ny fiainanao. Raha amin’ny fiteny hafa dia hoe Fibebahana: velarina eo anatrehan’ny Tompo ny fiainana manontolo, tsy misy afenina eo anatrehan’Andriamanitra:
- Amin’ny fifadian-kanina: zava-dehibe io satria ahafahan’ny olona tena mifantoka tanteraka amin’Andriamanitra sy mandinika tanteraka ny fiainany, ahafahan’ny manontolony hifandray amin’Andriamanitra, Rehefa tena te hitady ny tavan’Andriamanitra ny olona dia ilaina ny fifadian-kanina. Ahazoana hery. Fanalana na fanoherana ny filana sy ny hetaheta amin’ny maha-nofo ka hijerentsika ny zava-panahy ao amin’Andriamanitra. Tsy aingitraingitra ny fifadian-kanina fa antsoantson’ny Tenin’Andriamanitra.
- Amin’ny fitomaniana: fanenenana ary fahavononana hiala amin’ny ratsy
- Amin’ny fitarainana: fitalahoana amin’Andriamanitra mba hiombom-piainana aminy tanteraka.
Tsy amin’ny endrika ivelany ny fibebahana fa amin’ny fo izay tena manenina, izay tena mitady ny tavan’Andriamanitra.
Ianao mihitsy no miova ny amin’izay fahazaran-dratsy rehetra: miova lasitra, manenina ny amin’izany ary miala amin’izany.
Andriamanitra manenina ny amin’ny loza: Rehefa miova ny fijerintsika dia miova koa Andriamanitra; ny loza manjary mivadika ho fitahiana (and 14)
Ahoana ny fibebahana marina? Ny manontolontsika no miverina amin’ny Tompo. Tsy endrika ivelany, tsy fihatsaram-belatsihy na fijerena olona .
Ny ahafantarana fa tena miverina amin’Andriamanitra ianao dia ampivereno koa ny olona ho ao amin’ny Tompo. Mandehana manao Tafika Masina.
Fehiny:
Andriamanitra mpitsara marina sy mpamindra fo no miantso antsika ka aza mangatak’andro ary indrindra rehefa miverina tanteraka amin’ny fonao ianao dia ambarao izany fahatsaran’ Andriamanitra izany mba hitsaharana amin’ny zavatra tsy mety rehetra.
Hahery ao anatinao anie ny Fanahy Masina ahafahanao mandinintena lalina ka amin’ny fo tokoa fa tsy amin’ny ivelany ihany, tsy amin’ny fihatsaram-belatsihy no iverenantsika eo Aminy fa mahalala ny miafina rehetra ny Tompo ary indrindra amin’ny fanekentsika koa ho irak’Andriamanitra. Amena
ANDRIANALIJAONA Norosoa, Mpitandrina