Nalaina tao I Petera 1 : 22 – 25
« 22 Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin’ ny fo;23 fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin’ ny voa mety ho lò, fa tamin’ ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay velona sady maharitra.24 Fa « ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;25 Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay ». Ary izany no tenin’ ny filazantsara izay notorina taminareo. »
INONA NO ASAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA?
- Manadio ny Tenin’Andriamanitra : (and. 22)
Manadio ny fanahintsika, ahafahantsika mihaona tsara amin’Andriamanitra.
Fa maninona no diovina ? satria maloto isika noho ny fahotana, noho ireo heloka rehetra, izay ataontsika tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra … ny tsy fahaizantsika mitia an’Andriamanitra izay tarafina koa amin’ny fifankatiavana amin’ny olona rehetra. Mahaloto antsika koa ny fitiavana : ny fitiavana mitodika amin’ny tena ihany, mandehandeha ho azy eny am-bavan’ny olona. Ny fitiavana tena marina dia mitodika amin’ny hafa, tsy miangatra
Raha tianao ny hadio dia mila mazoto mandray sy miaina ny Tenin’Andriamanitra ianao, isan’andro
- Mampiteraka antsika indray ho olona vaovao (and. 23)
Manome antsika fiainana vaovao, fahariana vaovao. Izay nateraka indray no mahazo izany.
Ny Tenin’andriamanitra no miteraka azy.
Inona izany fiainana vaovao izany ? fiainana vaovao tsy mahazatra ny olona rehetra, manaitra sy manintona. Ny fiarahamonina ankehitriny dia zatra manao risoriso, mangalatra, mandainga, mametsifetsy olona sy milalao fitiavana amin’izay itiavany azy …, fa ny olona vaovao kosa dia miavaka satria manana fiainana vaovao ao amin’ny Tompo. Ilay fahamarinana sy fahamasinana ao amin’i Jesoa Kristy araka ny Tenin’Andriamanitra. Ny tenin’Andriamanitra no ahafahanao miaina izany fiainana vaovao tsy hain’ny olona iainana izany satria Jesoa Kristy ilay tenin’Andriamanitra no miasa ao anatinao. Betsaka ny olona miezaka ho tsara eo amin’ny fiainana saingy tsy afaka, manao saron-tava (masque) eny amin’izay rehetra alehany fa ianao kosa rehefa nandray ny Tenin’Andriamanitra ianao dia miova ny fomba fijerinao, ny soatoavina ao amin’ny fiainanao fa tsy toy ny an’izao tontolo izao. Io no mampery sy mampaharitra anao.
Koa hoy ny mpanao Salamo : « ary ny mpanomponao dia hazavain’ireny » (Sal.19. 11)
Tian’Andriamanitra io asanao io hitaomana olona ho an’i Kristy ka mitodika amin’ny hafa.
Velaro ny harato, ambarao ny Tenin’Andriamanitra. (tahaka an’i Petera) any amin’izay rehetra alehanao dia ho hitanao fa io Tenin’Andriamanitra io no mampandroso anao.
Mazotoa miaina sy mandray Tenin’Andriamanitra raha te handroso bebe kokoa hatrany.
