TORITENY: Lioka. 24: 44- 49
NY FITSANGANAN’I JESOA KRISTY TAMIN’NY MATY dia:
- Fahatanterahan’ny faminaniana tany amin’ny Testamenta Taloha
(Gen 3/20; Isa 50/6; Sal. 22)
Efa nomen’Andriamanitra hatramin’ny ela ny fanavotana ny olona.
Azo antoka, tsy miova, mahatoky ny Tenin’Andriamanitra.
Matokia ny Tenin’Andriamanitra fa azo ianteherana. Fa tsy misy tsy ho tanteraka ny teny rehetra lazain’Andriamanitra”.
- Mampanankery ny Toriteny
Ny toriteny mifantoka amin’i Jesoa Kristy irery ihany (fiainany, asany, fahefany) no hany mitondra fibebahana sy famelan-keloka marina
Mazotoa mihaino toriteny fa ny finoana dia avy amin’ny Toriteny ary ny Toriteny dia avy amin’ny Tenin’i Kristy. Ianao mpitoriteny, ambarao mazava ny famonjen’i Jesoa Kristy.
- Miantoka ny ho avy: (fanomezana ny Fanahy Masina)
Io no fomban’Andriamanitra ny olona ahafahany mijoro vavolombelona (Fanahy Masina= Teny fikasan’ny Ray)
Meteza ho fenoina ny Fanahy Masina hatrany, araraoty ny fijanonana an-trano (tahaka ny mpianatra) ahafahana mivoaka amin-kery hijoro vavolombelona
