Toriteny Alahady 05 Aprily 2020

« Vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny mino »

TORITENY : Mar 11  1- 11

Tantaran’ny fiakaran’i Jesoa tamin’ny fomba manetriketrika tany Jerosalema izay lalana efa voasoritra alehany ary lalana izorany amin’ilay fanoloran-tenany teo amin’ny hazo fijaliana.

  1. Iza marina moa i Jesoa Kristy ?

Izy ilay manana ny fahefana rehetra, afaka mibaiko ny zavatra rehetra, manerana ny toerana rehetra ary mahita sy mahalala izay misy amin’ny toerana rehetra. Izy no mihazona sy mifehy ary mandrindra ny zavatra rehetra : OMNIPRESENT-OMNISCIENT-OMNIPOTENT ; Andriamanitra velona, Andriamanitra tonga nofo. Izy ilay Mesia, voahosotr’Andriamanitra hitondra ny fahotan’izao tontolo izao, voahosotra izy hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ary voahosotra ho mpanjaka.

  1. Ahoana no fomba anehoana izany hery sy fahefany izany ?

Ny fankatoavana no tena fijoroana vavolombelona amin’ny maha Andriamanitra, Tompo, mpanjaka ary Mesia Azy

Ny fankatoavana ny teniny dia manamarika ny fiaraha-miasa amin’Andriamanitra mba hahatanteraka ny sitrapony.

  1. Inona no asan’Andriamanitra ?

Famahana ny fatotra, « Vahao izy »  ary amin’izao fotoana izao indrindra no anirahan’ny Tompo antsika mba handeha hanala ny fatotra. Be ny olona voafatotra ankehitriny ka irahin’ny Tompo isika hanala ny vesatry ny tahotra sy ny ahiahy amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra. Voafatotry ny fahotana.

Tian’ny Tompo hanala ny fatotra mamatotra anao na ny hafa ianao. Arararaoty ny vanim-potoana

Mahafoy izay ananantsika, mety ho fananana na fahalalàna sns indrindra ny fotoanantsika hivavahana hitondrana ny hafa ho eo amin’ny Tompo.

Amin’ny fankalazana Azy : Rehefa tena mino sy matoky Azy isika dia maneho ny maha-mpanjaka Azy amin’ny alalan’ny fihetsika (namelatra ny lambany). Ity mpanjaka ity dia mpanjaka hafa mihitsy,tsy tonga hiady fa mpanjaka malemy fanahy sy mitondra fiadanana Izy. Ao anatin’ny sarotra no itondrany izany aminao ankehitriny.Ka tokony haseho amin’ny fihetsikao sy fombanao fa mandray ilay mpanjaka mitondra fiadanana ianao. Ny fiadanako no omeko anareo hoy Jesoa. Ka tokony hita soritra eny amin’ny endritsika izany, tsy misy ny fahakiviana sy fahaverezam-panantenana, fa hanana fahatoniana mandrakariva isika vokatry ny fifandraisantsika amin’ilay Jesoa Kristy Mpanjaka.

Io Jesoa io ilay ivelomantsika, ifamatorantsika fiainana isan’andro

  1. Ahoana koa no endriky fanehoana ny maha mpanjaka an’i Jesoa Kristy izany ?

Teto dia tamin’ny alalan’ny hiaka : « hosana ! » fiderana, maneho antsoantsom-pamonjena « vonjeo re ! », ao amin’ny Tompo ihany ny famonjena. Izy no iantorahana dia asehontsika izany amin’ny hiaka ,amin’ny feotsika mankalaza sy manome voninahitra Azy.

Entanin’Andriamanitra isika hijoro vavolombelona, tsy ankinafinafina fa aseho amin’ny fomba rehetra izany indrindra amin’ny fankatoavana Azy.

Tian’Andriamanitra ho afa-patotra izao tontolo izao handray ilay famonjena ao amin’i Jesoa Kristy.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra